<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>I.D. Sankey</author>
<hymn_number>318</hymn_number>
<title>Mandrosoa, ry mpanarato FFPM318</title>
<lyrics>[V1]
 Mandrosoa, ry mpanarato,
 Aza ketraka izao !
 Mandrosoa tsy miato,
 Jeso re no herinao ;
 Ka ny jentilisa maro,
 Havana sy tapaka,
 Mba toroy, ampahafantaro
 An'Ilay Mpanafaka !

[V2]
 Mandrosoa, ry mpanarato,
 Miezaha fatratra,
 Ka na iza hisahato,
 Aza mba matahotra,
 Notolorana adidy
 Hianao ka miasà !
 Na ho mamy na mangidy,
 Aza fay na mba handà !

[V3]
 Mandrosoa, ry mpanarato,
 Ao an-drano lalina !
 Misy ve hitora-bato ?
 Anehoy fitiavana !
 Raha kivy ny mpanota
 Noho ny haratsiny,
 Ento any Gologota
 Amin'ny Mpamonjiny.

[V4]
 Mandrosoa re no baiko
 Izay mifehy ahy izao,
 Ka ny tena sy ny aiko
 Raiso, Tompo, ho Anao !
 He, afoiko manontolo
 Izay ananako izao
 Koa raisonao daholo
 Mba ho voninahitrao !</lyrics>
</song>